Feuille d'étude / Taratasy fianarana

Préparer le chemin sans prendre la place

Amboary ny Lalany nefa tsy maka ny Toerany ianao

Jean 1 : 19–34  •  Jaona 1 : 19–34

Les versets clés / Ny andininy lehibe

« Je ne suis pas le Christ. Je suis la voix de celui qui crie dans le désert : aplanissez le chemin du Seigneur. »

Jean 1:20, 23

« Tsy izaho no Kristy. Izaho dia feon'ny miantso any an'efitra hoe : Ahitsio ny làlan'ny Tompo. »

Jaona 1:20, 23

« Voici l'Agneau de Dieu, qui ôte le péché du monde. »

Jean 1:29

« Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. »

Jaona 1:29

« Et moi, j'ai vu et j'ai rendu témoignage qu'il est le Fils de Dieu. »

Jean 1:34

« Ary izaho efa nahita ka milaza fa Izy no Zanak'Andriamanitra. »

Jaona 1:34

1. Deux mondes en confrontation  •  Tontolo roa mifanandrina

Français

Les pharisiens et les lévites envoient des messagers vers Jean. Ces hommes connaissent les Écritures, ils gardent la tradition. Pourtant, ils ne reconnaissent pas ce que Dieu est en train de faire.

Il est possible d'être formé, engagé, impliqué… et passer à côté de l'essentiel.

Quand Dieu agit en dehors de nos cadres, cela dérange.

On peut connaître les Écritures et ne pas reconnaître la voix de Dieu.

Malagasy

Ny Fariseo sy ny Levita dia naniraka olona ho any amin'i Jaona. Ireo lehilahy ireo mahalala ny Soratra Masina, mitandrina ny lovan-tsofina. Kanefa, tsy mahafantatra ny zavatra izay efa ataon'Andriamanitra atao izy ireo.

Tsy possible izany hoe tsara hofana, mankatoa, manao izay baiko lazaina... nefa tsy mahita izay zavamisy.

Raha miasa ivelan'ny mahazatra Andriamanitra, manelingelina ny hafa izany indraindray.

Afaka mahalala baiboly ny olona nefa tsy hahafantatra ny feon'Andriamanitra.

2. « Je ne suis pas » — Garder sa place  •  « Tsy izaho » — Mitana ny toerany

Français

Face aux questions insistantes, Jean ne cherche pas à profiter de la confusion. Dans un monde où beaucoup auraient saisi l'occasion pour se faire reconnaître, Jean choisit de rester à sa place.

Être messager est déjà une grâce immense. Ne cherchez pas l'honneur des hommes.

Le danger après les grâces, c'est l'orgueil qui s'installe subtilement.

La gloire ne nous appartient pas — elle revient à Dieu seul.

Malagasy

Tamin'ny fanontaniana mafy, tsy nitady tombony tamin'ny fisalasalana i Jaona. Amin'izao fiainatsika izao dia maro teha hahazo voninahitra hampafantatra ny tenany, Jaona nisafidy hitana ny toerany.

Ny ho iraky ny Tompo dia fahasoavana lehibe. Aza mitady voninahitra amin'ny olona.

Ny loza aorian'ny fahasoavana dia ny fireharehana miditra mangina.

Ny voninahitra tsy antsika — an'Andriamanitra irery izany.

3. Une voix, pas la Parole  •  Feo, fa tsy Teny

Français

Jean se définit par une mission : il est une voix. Pas la Parole. Pas le centre. Pas la finalité. Une voix qui prépare, qui ouvre, qui oriente. Ce n'est pas improvisé — c'est l'accomplissement d'un plan annoncé en Ésaïe 40:3.

Serviteurs de Dieu — vous êtes des voix. Pas la solution. Pas la source.

La mission n'est pas que les gens vous suivent, mais qu'ils suivent Jésus.

Jean s'efface volontairement. Apprenons à laisser la place de Dieu à Dieu.

Malagasy

Ny iraka no manamarika an'i Jaona : izy dia feo. Tsy ny Teny. Tsy ny ivon-toerana. Tsy ny tanjona farany. Feo miomana ny lalana, manokatra, mitari-dalana. Tsy nahazo tsindry foana izany — fanatanterahana drafitra nambara tao amin'ny Isaia 40:3.

Mpanompon'Andriamanitra — feo ianareo. Tsy ny vahaolana. Tsy ny loharano.

Ny iraka tsy ny hanarahan'ny olona anareo, fa ny hanarahan'izy ireo an'i Jesosy.

Nanary tena an-tsitrapo i Jaona. Aoka hiianatra hamela ny toeram-panahin'Andriamanitra ho an'Andriamanitra.

4. Voici l'Agneau de Dieu  •  Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra

Français

Le lendemain, Jean voit Jésus et dit la phrase qui change tout. Jésus n'est pas seulement un enseignant ou un prophète. Il est l'Agneau — Celui qui vient porter, enlever, restaurer ce que l'homme ne peut pas réparer seul.

On peut prêcher — mais nous ne pouvons pas convertir. C'est Jésus.

Jean baptise d'eau (extérieur). Jésus baptise du Saint-Esprit (intérieur).

On peut accompagner — mais nous ne pouvons pas sauver. C'est Lui.

Malagasy

Ny ampitso dia nahita an'i Jesosy i Jaona ka nilaza ilay teny nanova ny zava-drehetra. Tsy mpampianatra na mpaminany fotsiny i Jesosy. Izy no Zanak'ondry — Ilay tonga hitondra, hanaisotra, hanarina izay tsy zakan'ny olona hamahana irery.

Azo toriana ny filazantsara — nefa tsy azontsika ovaina ny fo. I Jesosy.

I Jaona manao batisa amin'ny rano (ivelany). I Jesosy manao batisa amin'ny Fanahy Masina (anatiny).

Azo arahan'ny olona — nefa tsy azontsika vonjy izy ireo. Izy no mahavonjy.

5. Voir. Reconnaître. Témoigner.  •  Mahita. Mahalala. Mijoro ho vavolombelona.

Français

Jean conclut : « J'ai vu et j'ai rendu témoignage. » Il ne parle pas d'une théorie mais d'une expérience. Trois verbes. Trois étapes. Une même invitation pour nous aujourd'hui.

Ne reste pas seulement à écouter. Regarde. Reconnais. Et laisse Jésus faire en toi ce que toi-même tu ne peux pas faire.

Malagasy

Dia hoy i Jaona : « Efa nahita aho ka milaza. » Tsy teoria no resahany fa traikefa velona. Matoanteny telo. Dingana telo. Fanasana mitovy ho antsika anio.

Aza mijanona ho mpihaino fotsiny. Mijere. Mahalala. Avelao i Jesosy hanao ao anatinao izay tsy azonao atao ho anao.

Témoignage / Filazana

Français

Il y a eu une période où j'ai cru que mon service suffisait à me définir. Je prêchais, j'enseignais, j'étais présent. Mais doucement, j'avais commencé à chercher la reconnaissance des hommes plutôt que la face de Dieu. Un jour, j'ai relu ces mots de Jean : « Je ne suis pas. » Et j'ai compris que ma mission n'était pas d'être vu — mais de montrer.

Malagasy

Nisy fotoana izay niheverako fa ny fanompoako no namaritra ahy. Nitory, nampianatra, naseho ny tenako. Nefa moramora, nanomboka nitady ny fankatoavan'ny olona aho fa tsy ny tavan'Andriamanitra. Indray andro, namaky indray ireto teny ireto aho : « Tsy izaho ». Ary dia fantatrako fa ny irakako tsy ny ho hitan'ny olona — fa ny hampisehoana Azy.

Pour aller plus loin / Ho anao maniry ny handalina bebe kokoa

Français · 1

Jean s'est défini par sa mission, pas par son titre. Toi, comment te définis-tu — par ce que tu fais, ou par ce que Dieu t'a appelé à être ?

Malagasy · 1

I Jaona dia namaritra tena tamin'ny iraka, fa tsy tamin'ny lanjany. Ianao, ahoana no amaritanao ny tenanao — amin'izay ataonao, sa amin'izay nantsoim-batan'Andriamanitra anao ho izy ?

Français · 2

Est-ce qu'il t'arrive de chercher la reconnaissance des hommes dans ce que tu fais pour Dieu ? Comment est-ce que cela affecte ton service ?

Malagasy · 2

Misy fotoana hitadiavanam-pankatoavan'ny olona amin'izay ataonao ho an'Andriamanitra ve ? Ahoana no iantraikan'izany amin'ny fanompoamu ?

Français · 3

Jean dit : « Je ne suis qu'une voix. » Est-ce que tu acceptes d'être un instrument entre les mains de Dieu, même sans être vu ni reconnu ?

Malagasy · 3

Hoy i Jaona : « Feo fotsiny aho. » Ekentsika ve ny ho fitaovana eo am-pelatanan'Andriamanitra, na dia tsy hita na fantatry ny olona aza ?

Français · 4

Jean baptise d'eau, mais Jésus baptise du Saint-Esprit. As-tu fait l'expérience de cette transformation intérieure que seul Jésus peut donner ?

Malagasy · 4

I Jaona manao batisa amin'ny rano, nefa i Jesosy manao batisa amin'ny Fanahy Masina. Efa nandanjalanja ilay fiovana anatiny izay i Jesosy irery no mahavita manome ve ianao ?

Français · 5

« Voici l'Agneau de Dieu qui ôte le péché du monde. » Est-ce que tu vis comme quelqu'un dont le péché a vraiment été ôté ?

Malagasy · 5

« Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. » Velona toy ny olona efa nesorina ny fahotany marina ve ianao ?

Verset à retenir / Andininy mila tadidiana

« Voici l'Agneau de Dieu, qui ôte le péché du monde. »

« Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. »

Jean 1:29  •  Jaona 1:29